|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Tsy hodinganina ny maty |
| Singan-teny | 2dinganina, 3maty |
| Sokajin-teny | 4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 5 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
6Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Lahatsiratra manontolo |
7 Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty 8 Fa variana miaina isika ? Tsia fa tsapantsika anaty 9 Ny fitohizantsika aminy... sady isika taizany aza, 10 Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza ! 11 Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany ! 12 Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany, 13 Misy trosantsika aminy, nefa izany dia ho efaina 14 Amin’ny taranatsika : izay no fitohizan’aina ! 15 Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana ! 16 Nananganana tanàna ka tsy hahazo hialangalana, 17 Namelana fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra, 18 Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny 19 Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny ? 20 Tsy hodinganina ny maty amin’ny tohatoha-miakatra |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13 |
|